Nisokatra amin’ny fomba ofisialy omaly, teny Ivato, ny fikaonandoham-pirenena. Nitarika izany ny eo anivon’ny FFKM. Nisy sy hafatra sy fanentanana nataon’izy ireo tamin’izany.
“Andao àry samy hitondra ny anjara biriky isika, hoporofoina fa afa-mifampiresaka sy mifandresy lahatra ary mifampihaino am-pitoniana sy am-panajana isika mba ho hita taratra sahady ny fanovana ara-toe-tsaina”. Io ny nambaran’ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Jean De Dieu Raoelison, taorian’ny fanompoam-pivavahana fanokafana ny dinika fanavaozana an’i Madagasikara, teny amin’ ny CCI, Ivato, omaly. Tanjona iombonana ny fampivondronana ny Malagasy, ny fanomezan-danja sy hasina ny teny aman-kolontsaina malagasy. Eo ny fandrindrana ny fanavaozana ireo rafi-panjakana misy ary ny famaritana ny fifamatoran’ny mpitondra sy ny vahoaka. Anisan’izany ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna hiadiana amin’ ny tsimatimanota. Farany, ny fitadiavana maodely ara-toekarena sy sosialy mahomby sy mety ho an’i Madagasikara. Raha tiana ny hanatratra an’ ireo, ilaina ny maneho firaisam-po sy saina mandritra ireo atrikasa marolafy.
“Andao isika hanangana firenena vanona, mandroso sy tsara tantana ary mendrika ny vahoaka malagasy”, hoy ny mpanolotsaina avon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana, ny kolonely Andriamiarisoa Gervais.
Misy miasa ho amin’ny fanakorontanana
Raha tena hanova ny firenena, mila miainga amin’ny fanovana toe-tsaina. Marina fa niainga tamin’ny ady sarotra sy ny fahantrana an-taona maro. Nefa mandeha ambaratonga ny fanovana, ary mitaky faharetana sy fikelezana aina ary fandavan-tena ny fahombiazana rehetra.
“Misy ny be kajikajy, misy ny miasa mafy manakorontana amin’ny endrika maro samihafa. Nefa tsy hahomby izany, rehefa isika rehetra no miara-mientana sy miray hina”, hoy ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra. Misy ny manohitra ny fanavaozana. Ekena ny fanehoan-kevitra. Nefa aza manimba fananana iombonana sy ny soatoavina malagasy.
R. Nd.




