Hifarana tsy ho ela ny taona 2025. Hanatanteraka « Réveillon » ao amin’ny FLM Ambohimasina ny Tanora Masina Itaosy (TMI), ny alarobia 31 desambra, manomboka amin’ny 8 ora alina. « Izahay dia mijoro vavolombelona fa hafa ihany ry zareo izany miandry ny taona vaovao any an-tranon’Andriamanitra izany », hoy ny TMI raha namintina ny seho ho hita eny an-toerana. Fantatra fa any ambadiky ny amin’ny 12 ora sy sasany alina vao hifarana ity « Reveillon » ity. « Hisaotra an’Andriamanitra isika noho ny fahavitana ny taona 2025 ary hiaraka hametraka eo am-pelantanany ny taona 2026 », hoy hatrany ny TMI. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana, rahateo, ny fihirana ireo sanganasan’ny TMI tsy afaka am-bavan’ny maro. Fantatra fa hoentina hanohanana (fampitaovana) ny « Masina Media » na ny haino aman-jery eo anivon’ ny FLM Ambohimasina Itaosy ny vola ho azo rehetra avy amin’ ito hetsika hamaranana ny taona 2025 ito.
Marihina fa ny Tanora Masina Itaosy no anisan’ireo antoko mpihira nahavita seho maro indrindra tamin’ity taona 2025 ity. Efa eo am-pandrafetana ny fandaharam-potoana taona 2026 izy ireo ankehitriny.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




