tarika Reko : Hifampitaona amin’ny mpankafy etsy Mahamasina

Hanatanteraka kaonseritra lehibe etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolon­tsaina Mahamasina ny tarika Reko, ny alahady 28 desambra ho avy izao. Hetsika karakarain’ny Studio 58. Manom­boka amin’ny 3 ora tolakandro ny fampisehoana, entina ha­nakatonana ny taona 2025. Nampanantena seho vaovao miavaka sy avo lenta indray ny tarika taorian’ny fampisehoana nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Maro ny zavatra tsy hampoizina hiseho amin’io fotoana io. « Hohiraina ao ireo rakitsary vaovao izay noforoninay, anisan’ny hampiavaka ny hetsika », hoy i Fy Raso­lofoniaina, filohan’ny tarika, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampandrana, omaly. Hisy fampiaraham-peo koa eny an-toerana.
« Miezaka miaina amin’ny vanim-potoana misy rehetra izahay. Fanamby mahafinaritra ho anay ny taona 2015, ary mbola miady amin’ny hisian’ ny zavatra tsaratsara kokoa ho an’ny sehatry ny mozika, na ho an’ny fiarahamonina io, na ho an’ny sehatra hafa rehetra », hoy izy ireo.
Hitondra zava-baovao ha­makivakiana ny taona vaovao ny Reko, amin’ny alalan’ny famokarana rakitsary vaovao. Mety efa hisy zava-baovao ihany koa io taona ho avy io, raha ny fanambarana hatrany. Nohamafisiny fa mendrika ha­hazo zavatra tsara avy amin’ izy ireo ny olona rehetra ka omeny amin’io fotoana io izany ho fampifaliana ny olona. Ny Silver sy ny Fanzone sisa ny tapakila mbola misy, ho an’ireo hanjifa sy hividy izany. Marihina fa efa nahatratra 300 ny kaonseritra nataon’izy ireo teto an-toerana sy tany ivelany.

Mino

Partager sur: