TARATRY ny KANTO

Ho avy eto ihany i Gabi Hartmann. Anisan’ireo mpihira sy mpitendry gitara mirona amin’ny jazz fran­tsay amin’izao fotoana, izy. Tokony ho vahinin’ny hetsika “Madajazzcar 2025”, saingy tsy tontosa tamin’ny volana oktobra teo izany. fantatra kosa izao fa hoavy ihany ary hanolotra seho ny 12 desambra izao, ao amin’ny IFM Analakely. Mitety gadona maro, mampivady ny soul, folk, pop, sns, amin’ny jazz ity mpanakanto ity, izay nahafahany namakivaky sehatra maro maneran-tany.
Hikatona ny zoma izao ny taom-pampisehoana ho an’ny Alliance Française any Antsiranana. Hisy ny seho manokana, “Zarazarao”, izay hotontosain’ ny Com­pagnie Zolobe amin’io, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Seho teatra maoderina izy ity, izay mam­piaraka ny hatsikana amin’ny tantara sy ny hira. Efa zatra ny toerana, sy anisan’ireo nizara ny talentany tao hatramin’izay ireo mpikambana ao amin’ny Compagnie Zolobe, izay mpikarakara ny “Festival Zegny Zo!” ihany koa.
Mandalo an-tanindrazana i Eusebia. Rehefa avy nanatontosa fampisehoana maromaro tany Europe, hisehatra etsy amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo indray i Eusebia, ny zoma 12 desambra ho avy izao. Fotoana izay hampahafantarany an-tsehatra voalo­hany ny “Moramora”, rakikira izay vao navoakan’ity mpa­nakanto zanaky ny mpanjakan’ny salegy ity. Maneho ny lokon’ny mozikany, izay manambatra ny fototra niaingany dia ny salegy, amina mozika iraisam-pire­nena maoderina.

Partager sur: