Indostria: Omen-danja ny vokatra mampiavaka ny faritra

Hanolotra volavolan-dalàna ho fanandratana ny vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana ny indo­stria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ho fiarovana izany. Tetikasa iara­hany amin’ny Omapi, ran­tsamangaika misahana ny fizaka-manana ara-indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny vokatry ny fambolena, ny asa tanana ary ny vokatra voa­hodina. Tanjona ny hano­me­zan-danja ny vokatry ny faritra iray sy hanomezana vahana ny sandany eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisongadina ao anatin’ny tetikasa ny dipoavatra mena an’i Bongolava, ny kafe arabica an’Itasy, ny cacao an’Amban­ja, ny vary manitra avy ao Anivorano avaratra sy ny maro hafa. Fanoitra stratejika ho an’ny faritra sy ho fampandrosoana ny toekarena ny hetsika atao. Araka izany, hanampy betsaka amin’ny fanondroana ara-jeografia ny vokatra iray ny tetikasa. An­koatra izay, tsy ampy ny tolotra raha oharina amin’ny tinady ny dipoavatra mena avy ao amin’ny faritr’i Bongolava. Tsiahivina fa nisy ny tetikasa nataon’ny fitondram-panja­kana ny volana avrily teo, tany Ankadinondry Sakay. Natao ho fampitomboana ny vokatra, hahafahana mamaly ny filana eto an-toerana sy ivelan’ny faritra izany.

Henintsoa

Partager sur: