Nitondra ny heviny manoloana ny fikaonandoham-pirenena ireo solontenan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Nahitsy izy ireo. « Takinay ny tsy hisian’ ny fifanilihana ary aoka tsy ho resaka fotsiny izany fa haseho amin’ny fomba fiasa », hoy ny filohan’ny mpanohitra eny amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Notsiahiviny fa tsy nahazo fanasana ny eo anivon’ny Irmar. Tonga niatrika ny fanombohana ny fikaonandoham-pirenena kosa anefa izy ireo, nisolo tena ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Antony nahatongavan’izy ireo teny an-toerana izany. Tsy miditra ny ao ambadik’izany kosa anefa izy ireo fa ho an’ny Irmar, tonga izy ireo rehefa nasain’ny FFKM ny lehibeny.
Etsy andaniny, nohitsin’izy ireo fa tsy tokony handeha ila ny raharaha ary tokony hirosoana ny fametrahana ny sori-dalana, iarahana amin’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana sy ny eo anivon’ ny Vondrona afrikanina (UA). « Tena mba ho fanavaozana tsy misy fanilihana. Mbola nohamafisin’ny Irmar fa noverezin-jo, tsy ho Malagasy intsony, ny filoha teo aloha nefa fitondram-panjakana tsy voafidim-bahoaka no nanao izany. Tsy afaka manao izany izy ireo satria tsy voafidim-bahoaka », hoy ihany izy ireo. Notsindrin’ ny Irmar fa tsy ho azo kosehina sy tsy azo ahilika eo amin’ ny tantara ny filoha Rajoelina Andry. Tsy tokony hifanilika raha te hametraka fitoniana, araka ny nambaran’izy ireo.
Synèse R.




