Lalam-pirenena fahefatra: Kamiao sy 4X4 nilatsaka tany anaty hantsana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny RN4, tao Antananarivokely, Maevatanàna, omaly. Fiara roa potika, maro ireo naratra. Tsy mbola voafaritra ny isan’ny namoy ny ainy, hatreto.

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tany Anta­na­narivokely, Maevata­nà­na, omaly. Nifandona teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra iny ny kamiao iray sy fiara 4×4. Noho ny hamafin’ny fifandonana, samy latsaka tany anaty hantsana ireo fiara ireo. Vokany, maro ny olona naratra. Efa nentina nihazo ny hopitaly avokoa moa ireo na­ratra, taorian’ny tranga. Tonga teny an-toerana nanao ny fa­nadihadiana sy nijery ny zava-misy ny mpitandro filaminana
Nitrangana fifandonan’ny fiara ihany koa tetsy Imamba Laniera, Lalam-baovao Tsa­rasaotra, omaly tamin’ny 7 ora sy fahatelony maraina. Nodo­min’ny fiara 4*4, Land Cruiser, marika V8, iray avy ao aoriany ny fiara mpitondra entana, ma­­rika fourgon. Hitondra cocktail eny Ivato ity fiara niharan-doza ity, raha ny fantatra. Tafavoaka ny lalana ilay fiara mpitatitra en­tana noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Niainga ny vodin’ny fiara, ni­tontona mafy tamin’ny tany ny lohany, avy eo nivadika. Vo­ka­ny, naratra mafy teo amin’ny lohany ny mpamily tao anatin’io fiara niharan-doza io, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga teny an-toerana. Taorian’ny loza, nentina teny anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefi­loha avy hatrany ilay mpamily naratra mafy. Nanatrika ny zava-nisy teny an-toerana ny polisin’ny Force d’intervention policier (FIP), nikasa hanao famerenana teny Ivato. No­sambo­rina ilay mpamilin’ny 4*4 na­moa-doza. Mba hisorohana ny mety tsy fandriampahalemana sy ny mety ho fitsaram-bahoaka teny an-toerana no antony.

Nisongona nefa nifanena tamin’ny fiara hafa
Samy avy any Tsarasaotra ireo fiara roa ireo, raha ny fa­nazavan’ny olona nanatri-ma­so ny zava-nitranga teny an-toerana. Nandeha mafy sy nisongona ilay fiara mpitondra entana, ilay 4*4. Nisy fiara ni­poitra tampoka anefa nifanena taminy, ka tsy afa-niala izy fa voatery nandona ny vodin’ilay fiara teo alohany. Tafainga ny kodiarana ilan’ilay fiara voadona ka nivadika sy tafavoaka ny lalana, raha ny fanazavana voaray. Nitontona ta­min’ny tany ny lohany, avy eo nivadika nihorirana. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisy misahana ny fifamoivoizana (BAC), PCR ary ny CUI.

Mino

Partager sur: