Vono olona mampiahiahy : Vehivavy hita faty tao ambany fandriana

Hita faty tao ambany fandriana, tany Ambohimandamina, vakim-paritra voalohany, Mahajanga, afakomaly, ny vehivavy iray 28 taona. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy io satria nafatotr’ireo tsy mataho-tody tamin’ny tady ny tongony aman-tanany. Nofatorana harona plastika koa ny lohany ary natao tao ambany fandriana ny nofo mangatsiakany.
Nahita io vatana mangatsiaka io ny renim-pianakaviana iray, mpiray vodirindrina amin’ity vehivavy hita faty ity, rehefa niditra ny tranony, ny hariva avy niasa. Nahita antsy ary avy eo nahita tongotr’olona tao ambany fandriany. Niantso olona sy nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany ny tompon-trano taorian’izay.
Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Nahitana ratra sy mangana teo amin’ny handriny sy ny masony, nandritra ny fizahan’ny mpitsabo. Tsy nahitana trangana fanolanana na ratra hafa tamin’ny vatan’ity vehivavy ity. Vono olona niniana natao sy tamin’ny fomba feno habibiana ny nitranga, raha ny fahitan’ny manam-pahefana sy ny mpitsabo izany. Efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity.
Tsiahivina fa vehivavy mpianatry ny Oniversite tany an-toerana ihany koa hita faty ny marain’ny 28 avrily 2022. Novonoina, nofatorana sy natao tao anaty gony ary natsipy tany anaty lavaka fanariam-pako, tao ambadiky ny Hopitaly Androva.

Mino

Partager sur: