Maty vokatry ny tifitra nataon’ny mpandroba azy ny vehivavy zanaky ny tompon-trano tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohidralamanga, distrikan’i Fandriana, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Niditra an-keriny tao an-trano ny mpandroba. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireto farany. Nanery ny tompon-trano hamoaka vola. Tsy nisy alaharo, nanambana fitaovam-piadiana avy hatrany tamin’ireo olona tao an-trano ny mpandroba. Lasibatry ny herisetra nataon’ny olon-dratsy ny zanakavavin’ny tompon-trano. Namoy ny ainy ity farany vokatry ny fahaverezan-dra be loatra. “Tsy nahazo na inona na inona tao amin’ilay tokantrano ireo mpanao ratsy”, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fokontany voakasika.
Ankoatr’io, tovovavy vao 16 taona hita faty nisy namono tao Ankarahoatra, fokontany Maharivo, kaominina Fandriana, ny alarobia 10 desambra teo. Mpianatra eo anivon’ny Lycée ao Fandriana io hita faty io. Notsatohan’ireo tsy valahara antsy ny lohany ary nisy diam-pamaky ny vatany. Miantso ny tomponandraikitry ny filaminana hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny mponina. Miaina anaty tebiteby tanteraka izy ireo amin’izao fotoana. Etsy ankilany, nanokatra fanadihadiana momba ireto tranga roa niseho tao anatin’ny roa andro ireto ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




