Fampandrosoana maitso: Fifanarahana fanoloran-tena

Natao nandritra ny roa andro, ny 9 sy 10 desambra teo, teto Antananarivo, ny fikaonandoha mifantoka amin’ny hisian’ny fampandrosoana maitso eto Madagasikara. Nandray anjara tao ny ankamaroan’ny mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny tsy miankina, ny manampahaizana ara-toekarena sy ny ara-tontolo iainana eto an-toerana sy avy any ivelany. Nohaza­vain’ny filohan’ny Filankevi-pitantanana ao amin’ny Indri, Ramaholimiaso Barijaona, fa anisan’ny mpikarakara ny fifanekena natao, hanolo-tena hiara-kiasa, hikendry ny hampandrosoana an’i Madaga­sikara. Tanjona ny hisian’ny fampandrosoana mampiaty, zarain’ny rehetra, hisian’ny fampandrosoana maitso. Satria maro ny seha-pihariana miankina amin’ny zavaboahary eto amintsika. Anisan’ny niarahana namolavola ny sehatry ny fambolena, ny angovo, ny fizahantany, sns.
Hojerena ny laharam-pahamehana
Nomarihin’ny PCA Rama­holimiaso Barijaona, fa mampiavaka ity fifanarahana fanoloran-tena ity ny hijerena ny laharam-pahamehana hotanterahina maika. Misy ny rafitra fanaraha-maso sady manetsiketsika ny fanatanterahana azy. «Isika malagasy no nanana finiavana nanao azy, ary inoako fa manaraka ho azy ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola, izay tsy na­taon’ny mpitondra teo aloha», hoy ihany izy.
Niaraka nikarakara ny he­tsika ny Indri, ny Miarakap, ny Economic Policy Network ary ny Kinome.

Njaka A.

Partager sur: