VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Lasa 3 600Ar ny kilaon’ny vary gasy raha toa ka 3 400Ar izany andro vitsy lasa izay. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-bokatra ny mpanjifa manoloana ny rotsakorana misesisesy misy amin’izao fotoana izao.

Sambany tsy nahitam-piakarana ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao. Betsaka ny vokatra, nitombo ihany koa ny mpisehatra saingy tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny katsaka, izay foto-tsakafon’ny biby fiompy. Tafakatra hatrany amin’ny 2 500Ar ny kilaon’ny katsaka eny an-tsena amin’izao.

Mitombo ny fitohanan’ny fiara mandritra ny volana desambra. Vanim-potoana mampitombo ny fandanian-tsolika sy ny vola mivoaka isan-tokantrano, indrindra ireo mpampiasa fiara. Miakatra mandritra izany ihany koa ny fanafarantsika solika sy mampitombo ny vola mivoaka eto amin’ny firenena.

Partager sur: