BNI Lovain-jafy: Manasongadina hatrany ny fandraharahana maitso

Namiratra indray ny tontolon’ny toekarena maharitra tamin’ny alalan’ny fanolorana ny « Trophées BNI Lovain-jafy », notanterahin’ny BNI Madagascar tao amin’ny Axian University, Andraharo, ny 10 desambra 2025.

Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny firaisankina teo amin’ny sehatra tsy miankina, ny teknisianina ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ny tontolo iainana. Eo anilan’ny banky mpikarakara, nanohana ny hetsika ihany koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), ny WWF, ny Pnud, ny Ciel Finance ary ny vondrona Axian.

Nampiseho ny maha zava-dehibe ny andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE) izao lanonana izao. Manampahefana, manampahaizana ary mpisehatra maro no nanatrika, ka nanamafy fa lasa iankinan’ny fanavaozana sy ny fifaninanana ny RSE eo amin’ny toekarena malagasy, ankehitriny.

Nankasitrahina ny tetikasa sy ny orinasa nisongadina tamin’ity fifaninanana ity. Orinasa maherin’ny 60 no nifaninana. Nizara roa lehibe ireo sokajy: « Amboara lovain-jafy », izay manome voninahitra ireo asa efa mihodina sy ahitana vokatra mivaingana ary ny « Vina lovain-jafy », manohana ireo tetikasa mbola eo am-pamolavolana nefa ahitana fiantraikany maharitra.

 

Amboara Lovain-jafy

Mpandraharaha enina no nahazo loka tamin’ny sokajy Amboara Lovain-jafy. Nankasitrahina ireo orinasa nahavita nanaporofo ny fiantraikany sosialy na ara-tontolo iainana. Nahazo izany ny:

Faranah Goulamaly – Feel Good

Ratsimivony Anaïs– Vaniala

Raminosona Zina – Andao Company

Mahatambelo Tojo Heriniaina – Mitao Forecast Africa

Ratsimba Rabejaona Nadia – M-Laminah

Razanaparany Zoaniaina Jessé – Zoahary Baobab

 

Vina Lovainjafy

4 ireo nandresy tamin’ny sokajy Vina Lovain-jafy, ity sokajy ity dia natokana ho an’ireo tetikasa mbola mitombo nefa mitondra fomba fijery vaovao sy vina maharitra. Ahitana ny:

Razanajaona Pierre Chennel – MMAE

Houssen Mebobaly – Malakass

Andriamahazo Marius Fabrice – Adraho Company

Andrianomanana Iangotiana – Ferme Aina

Nomen-danja manokana ihany koa ny “Coup de cœur” ho an-dRaharinaivo Liva Jackson – Harena Maitso.

 

Fanamafisana ny adidy sy ny vina maharitra

Nanamafy ny BNI Madagascar sy ireo mpiara-miombon’antoka fa manohana hatrany ny asa mamolavola toekarena maharitra, mirindra ary mahazaka ny fiovan’ny toetr’andro.  Famatsiam-bola mitentina 15 tapitrisa Ariary, findramam-bola hatramin’ny 200 tapitrisa Ar amin’ny taha 0 % ary tohana ara-teknika manokana no azon’ireo mpandresy.

Ny Trophées BNI Lovain-jafy dia sehatra iray mampivondrona ireo orinasa manova ny sehatra iasany amin’ny alalan’ny fandraharahana madio, mandaitra ary manaja ny tontolo iainana.

Ny vokatra azo amin’ity hetsika ity dia mampiseho fa efa manana tanjaka ny toekarena malagasy, izay miorina amin’ny fanavaozana sy ny andraikitra ara-tsosialy ary afaka mitondra fahombiazana maharitra ho an’i Madagasikara.

 

Henintsoa

Partager sur: