Besarety: Lehilahy iray maty nirodanan’ny trano

Olona telo mianaka no nirodanan’ny trano, afakomaly, tetsy Besarety. Namoy ny ainy tototry ny tany ilay raim-pianakaviana, avotra kosa ny vady aman-janany niaraka taminy tao an-trano.

Nirodana tanteraka, vo­katry ny ora-nikija, ny trano misy rihana roa sy efitra maromaro, etsy Be­sa­rety, afakomaly hariva tamin’ ny 5 ora sy sasany. Nahafa­tesana raim-pianakaviana iray (43 taona) sy naharatrana
ny ramatoa vadiny (40 taona) ary ny zanany vavy (11 taona) izany. Avy be ny orana. Vao nitsahatra kely izany dia nirodana ilay trano, raha ny fanazavana voaray teny an-toe­rana. ” Niantso ilay ankizivavikely niharam-boina teo am-baravarankely aho, ary nivo­aka teo an-davarangana izy nifampiresaka tamiko”, hoy Rakotovao Miotisoa, fianakaviana nanatri-maso ny zava-misy. “Naka kapa taminy aho ary niverina hanolotra izany izy no nirodana ilay trano”, hoy ihany izy. Tsy nisy zavatra hita fa nanjavona avokoa. Nokarohina izy mianaka raha vao nanomboka nazava izany. Afaka kelikely vao fantatra ihany koa fa tototra tao ilay raim-pianakaviana.
Nanao ny fikarohana avy hatrany ny fokonolona, afaka 30 minitra, hita tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ilay ankizivavikely. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly izy taorian’izay. Nitohy ny fikarohana, efa tonga teny an-toerana ihany koa ny vondrona mpamonjy voina. Hita tao
amin’io efitra io ihany, tamin’ ny 6 ora sy sasany tany ho any, ilay ramatoa. Narovan’ny varavarankely iray ity farany tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza ka nahaavotra azy. Tafa­loka tao ambanin’ny zavatra kosa ilay ankizy, raha ny fanazavana voaray.

Nokarohina hatry ny alina
Nananosarotra ny fikarohana ilay raim-pianakaviana satria nanomboka ny alina tontolo ny fitadiavana azy tao ambanin’ireo trano nirodana. Omaly maraina tamin’ny 5 ora vao hita izy, efa tsy nisy aina intsony, ary hita tao amin’ny tohatra. Heverina ho saika hiakatra tany ambony rihana izy no niseho ny loza. Ani­san’ny nampananosarotra ny fikarohana ity farany ny tsy fahafantarana ny nisy azy.

Efa nentina eny anivon’ny hopitaly CenHoSoa Soavinan­driana ireo niharam-boina taorian’ny loza. Efa nivoaka ny hopitaly, afakomaly hariva ihany, ilay zaza. Nivoaka ny hopitaly, omaly, ilay renim-pianakaviana. Nalefa tany amin’ ny tranom-paty HJRA ny ra­zana taorian’ny fisokirana azy. Andrasana ao amin’ny tranom-pokonolona Betongolo kosa ny razana rehefa tafavoaka eny, raha ny fanaza­vana voaray avy amin’ny fianakaviana.

Mino

Partager sur: