Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany Moratsiazo, kaominina Ampefy, Soavinandriana, faritra Itasy, omaly. Tra-doza, nifatratra tamin’ny tranon’ olona ny fiara tsy mataho-dalana iray, nivadika ihany koa, nandritra izany. Olona telo no tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny mpamily. Olona roa hafa naratra mafy, efa nentina nihazo ny hopitaly. Nandeha mafy ny fiara, antony nahatonga ny loza.
Tontosa omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ireo tale vaovao voatendry eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Tonga nanome voninahitra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisitera, ny contrôleur général de Police Ranjavololona Julie Claudette. Nitsodrano sy nankahery ireo tale vao nandray ny asany izy mba havitrika amin’ny asa lehibe iandraiketany. Tsy maintsy vitaina anaty fotoana fohy, manaraka ny fanovàna, izay takina izany.
Mpiasa miisa 300 voatery natsahatra tamin’ny asany, noho ny raharaha Balançoire. Mangataka ny hanokafana ireo orinasa maro sy famoahana an-janany voatazona eny Tsiafahy i Pierre Paul. « Tsy mitombina ny fanasoketana niteraka fanakatonana orinasa maro satria izy niharan’ny herisetra indray no lasa any am-ponja », hoy izy. Voalaza fa nahitana zava-mahadomelina tao an-tranony nandritra ny fisavana.
Zazavavikely 4 taona namoy ny ainy rehefa naolan’ny tovolahy 20 taona mpiara-monina aminy tao amin’ny Toby fihavanana, kaominina Andohan’Ilakaka, ny 09 desambra lasa teo. Tratra omaly hariva, tokony tamin’ny
7 ora sy sasany, tao amin’ny fokontany Manombokely, ilay nahavanon-doza. Nandositra izy ary voatery notifirin’ny mpitandro filaminana ka maty.




