Fihaonana maromaro tany Dubai : Nikaro-bahaolana momba ny angovo sy rano ny filoha

Nivahiny 24 ora tany Dubaï, ny 9 desambra lasa teo, ary nitodi-doha teto an-tanindrazana, ny 10 desambra alina, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Fihaonana maromaro no nataony tamin’izany, araka ny namba­ran’ny gazety Africa Intelligence.

Anisan’ny nihaona taminy ireo diplaomaty any Emi­rats arabo mitambatra, toy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandrai­sana iraisam-pirenena, Reem bint Ebrahim Al Hashimy. Niompana tamin’ny resaka an­govo sy ny rano no vontoatin-dresaka teo amin’ny roa tonta. Noraisin’ilay mpane­foefo Amerikanina, Erik Prince, koa ny Filoham-panjakana. Anisan’ny niompanan’ny di­nika ny momba ny angovo sy rano ary ny ny lafiny toekarena. Maniry ny hampiasa vola aty amin’ny kaontinanta afrikanina ity mpandraharaha ity amin’ny alalan’ny orinasany Freedom First. Voalaza fa anisan’ny tanan-kavanan’ny filoha Ame­rikanina, Donald Trump, izy io ary manana fifandraisana amin’ireo firenen-dehibe hafa. Voaresaka koa ny momba ny fiarovana sy filaminana « Cyber­sécurité ».

Nambaran’ny gazety Africa Intelligence, fa tsy nanisy re­saka ny momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, mialokalona any Dubaï ny filoham-panjakana, ny Kly Randriani­rina Michaël, tamin’izao diany tany an-toerana izao.
Mila vavaka sy fahendrena

Nihazo avy hatrany any amin’ny Toby Ankaramalaza ny Filoha rehefa tafaverina an-tanindrazana. Nambarany nanoloana ireo mpino fa tsy mora ny adidy napetraka ta­miny. « Antony hiverenako eto amin’ity toerana Masina ity izany. Tsy vitan’ny herin’olombelona irery ny fitantanana ny firenena. Mila vavaka, fahen­drena ary fitarihan’Andria­ma­nitra izany », hoy izy. Nanka­sitraka sy nangataka ny va­vak’ireo mpiandry sy ny raiamandreny ary ny fiangonana mba hanampy amin’ny hahatanteraka ny andraikitra natolotry ny vahoaka azy ny filoham-panjakana tamin’izany. Tsiahivina fa notokanana ho mpiandry tao Ankaramalaza, ny 2 aogositra 2023, ny tenany ary nanomboka teo ny antso sy ny adidy ara-panahy, nia­loha ny nitondrany andraikitra lehibe eto amin’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: