Lavitra andriana

 

Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano.
Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy ireo any amin’ny faritra. Tafahoatra ny fomba fiasa mamohehitra ataon’ny sasany. Mitady hanao fanjakana kely anatin’ny fanjakana mihitsy. Mialokaloka amin’ny maha olom-panjakana azy. Mafy ny mianjady amin’ny vahoaka tsimandadiharona.
Tsy afa-manoatra ny ankabeazan’ny olona any am­bany ravinkazo, rehefa misy ny teny midina. Fanavao­zana izao vanim-potoana izao, araka ny filamatry ny Repoblika, ka hatraiza ny ho mety hahatrarana io tanjona io. Ny mpiantsehatra fototra tokony ho maodely no manao mpitari-bato vilam-bava any rehetra any. Ny lohany in­dray no matsatso.
Sarotsarotra ny fanamby raha mbola ny zotra sy ny fomba fiasa mamohehatra no entin’ireo mpiasam-bahoaka mamita ny adidy ankinina aminy. Tsy misy maloto, mitarika madio izany. Tsy mendrika ny fahatokisan’ny vahoaka ka afaka ny ho mpandray anjara amin’ny fampandro­soana.
Mitaky ny fampiharana ny lalàna amin’ireny tomponandraikitra ireny ny ankamaroan’ny mponina any ifo­tony. Ny indro kely, hain’ireo manampahefana tsara ny tsy fahaizan’ny ankamaroan’ny “tambanivohitra”, lalaovin’ izy ireny any anatin’ny taratasy sy ny teny mamitaka ny olona. Voaviraviran’ny olon-dratsy tanteraka ilay firenena.
Tsy ampy ny filazana fa manova! Mitaky fandraisan’ andraikitra henjana ny toe-javamisy. Tsy ny pirina sy ny trondro madinika ihany no mendrika hampidirina anaty harato. Mila fahasahiana amin’ny mpitondra foibe ny fijerena ifotony ny olony sy ny olan’ny vahoaka.

r.r

Partager sur: