“Aleo ny samy mpanao politika hiaraka hikaondoha sy hifanasa vangy, ary ho tonga amin’ny fifanarahana amin’ny fanaovana politika amin’ny fomba hitondrana ny raharaham-pirenena.” Io ny fanazavan’ny mpandrindra eo anivon’ny Sehatra ifanakalozan’ ny antoko politika eto Madagasikara (Siap) sady sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, momba ny fikaonandohan’ireo antoko politika 60 eo ho eo, eny amin’ ny Kianja mitafo, Ankorondrano. Nanomboka omaly sy hitohy anio ary hofaranana amin’ny 15 desambra ho avy izao izany, izay karakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFIM) sy ny Siap. Be dia be ny zavatra tokony hojerena, na ara-panjakana na araka ny lalàna na ny lafiny politika. Izay no iaraha-midinika ary hatolotry ny Siap amin’ny manampahefana, ireo mpiara-miombon’ antoka, ny FFKM…
Tokony hisy rafitra mipetraka, ohatra, ny Tetezamita, fa tsy mandeha amin’izao. Nanao fianianana ny filoham-panjakana: firy taona izy no ho eo? Eo koa ny amin’ireo adidy aman’andraikitra tokony hatao mandritra ny Tetezamita. Tokony hipetraka sy hazava tsara hoe: ahoana no hanarenana ny firenena, inona avokoa ireo tokony harenina… ? Raisina amin’ny fikaonandoha ny hevitry ny tsirairay. Haravona hahitana izay marimaritra iraisana izany. Raha misy ny tsy fitovian-kevitra, anaovana fifidianana. Tsy misy zavatra efa vonona mialoha hoe tian-kano tsy tian-kano. Misy olana lalim-paka eto Madagasikara, matoa misy krizy isak’izay mahatsiaro. Tsy tokony hisy intsony izao krizy izao, fa tsy mendrika an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.
R. Nd.




