Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Antenimierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo.
Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana, ny any Vakinankaratra rehefa avy nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany tao Andranomanelatra, afakomaly, izy. Hitafa amin’ny vahoaka ao amin’ny Magro Avaratsena ny filoha nasionalin’ny Tim, anio, sady hamelo-maso ny antokony.
Voaheloka higadra 7 taona, asa an-terivozona, sy onitra 40 tap Ar ny talem-paritry ny Fambolena sy fiompiana Matsiatra Ambony teo aloha. Saron’ ny Bianco any an-toerana ny fanodinkodinana masomboly 40t sy zezika 20t (taona 2016 – 2017). Nafahan’ny fitsarana kosa ireo 5 hafa. Namoahana didy fampisamborana satria tsy hita ny nanjavonan’ity tale ity.
Mitsidika ny any Bruxelles ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Mihaona sy mifampidinika amin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny foiben’ny Vondrona eoropeanina ny tenany amin’izany. Anisan’ny efa nihaona taminy ny Sekretera jeneraly lefitra misahana ny raharaha politika, Olof Skoog. Voaresaka ny raharaham-pirenena.




