Zava-baovao no haseho. Anisan’ny fampanantenana nataon’i Momota sy ny ekipany, miaraka amin’ny mpikarakara io, omaly. « Cirque Momota Tic Tac Show » ny lohateniny, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay, asehonay koa fa izahay mahafeno Palais des sports », hoy i Momota… Namorona fampisehoana feno, hahitantsika cirque, clowns, hira, soradihy sy dihy ho an’ny ankizy, sns, ireo mpanakanto tarik’i Momota. Hamerina ireo hira K Pop. Nanaraka azy ireo any amin’ ny tontolony izahay, mba hanomezana ilay tsara indrindra ho an’ny ankizy. Mba falifaly izy ireo tonga ato, ary falifaly koa mody. Iangavianay, araka izany, ireo ray aman-dreny manaraka ireo ankizy mba hampianatra ny zanany mipetraka amin’ny toerany, hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, avy ao amin’ny Live Prod. Mahakasika izay fanomanana izay, mahatratra 50 ireo ekipan’ i Momota hiantsehatra. Misy amin’ireo no efa matihanina, ankoatra ireo ankizy manan-talenta. Haharitra ora 2 sy 45 minitra ny seho, raha ny vinavina, ankoatra ny fakana sary. Amin’ny 10 ora maraina dia efa anomboka ny cirque ao ivelany. Kasain’ny Live Prod sy ry Momota entina hitety faritra ity seho ity.
Zo ny Aina




