Ny Feon’Analamanga : Hikalo ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa

Sady hamaranana ny taona 2025 no hamaranana ny faha-10 taonan’ny tarika Ny Feon’ Analamanga, hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra ao amin’ny IKM Antsa­havola ny sabotsy 20 desambra izao, ma­nomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ity tarika mamelona sy mivoy ny kalon’ny fahiny (hira teatraly) ity. Maro ireo hira heno tany anaty teatra ta­min’ izany, fa ny sanganasan’i Naka Rabe­manan­tsoa no voizin’ny tarika. « Izy no namorona ny Tropy Anala­manga mpanao teatra fahiny… Ireo hira nandravaka izany no ezahinay voizina sy averina ankehitriny », hoy ny tarika Ny Feon’Analamanga.
Ankoatra ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa, hikalo ireo hira noforonin’ireo andrarezin’ny hira teatraly tahaka an-dRandrianary Ratianarivo, Justin Rajoro, sns, izy ireo. Marihina fa fitetezam-paritra sy fampisehoana maro no notontosain’ny tarika nandritra ny fankalazany ny faha-10 taonany, tao anatin’ny herintaona teo ho eo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: