Firenena voalohany hisitraka ny Fandaharanasa Repair i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hiatrehana ny loza voajanahary.
Famatsiam-bola atokana hiatrehana ny fiantraikan’ny loza voajanahary ny Fandaharanasam-paritra ho fiomanana amin’ny asa vonjitaitra sy famerenana amin’ny laoniny ho an’ny rehetra (Repair). Sambany no nisian’ity fandaharanasa ity ka firenena telo no hampiharana azy aty am-piandohana (Madagaskara, Kaomoro, Mozambika). I Madagasikara no voalohany hanombohana izany.
Nohazavain’ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana, Ramatoa Ratsiavahana Dorette, fa « firenena 12 no hisitraka ny Repair aty amin’ ny tapany atsimon’i Afrika. Mitotaly 926 tapitrisa dolara ny fampindramam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ka natokana ho an’i Madagasikara ny 100 tapitrisa dolara. Hampiasaina hatramin’ny jona 2026 izy io. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (Mef). Mizara telo ny hampiasana azy. Hatao tahiry ny 15 tapitrisa dolara. Hiasana ny 80 tapitrisa dolara, raha hatao fiantohana ny 5 tapitrisa dolara. Mifanandrify tsara amin’ny tokony hilàna azy ny Repair, satria tena ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana sy ny rivodoza isika izao ».
Mitsinjara telo ny lalam-bola hampiasana azy. Voalohany, hampiasain’ny Fid hanohanana ny fianakaviana tena marefo. Faharoa, hotantanin’ny Solidis, hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany. Ary ny fahatelo dia hotantanin’ny Tahirimbola FNC, ho an’ny kaominina (CTD) sy ny BNGRC. Miandraikitra ny famolavolana ny asa atao ny rafitra ARC.
Nahatratra 2 miliara dolara ny fatiantoka
Nitentina 2 miliara dolara ny fatiantoka ara-toekarena teto Madagasikara, vokatry ny fandravana nataon’ny rivodoza Batsirai, ny taona 2022. Ny rivodoza Freddi, ny taona 2023 no naharitra lava indrindra ny fotoana nandalovany teto amintsika. Nahatratra 124 tapitrisa dolara ny fatiantoka ara-toekarena vokatry ny rivodoza Gamane, ny taona 2024, raha ny tatitra voaray.
Njaka Andriantefiarinesy




