VAOVAO TAMBATRA

Horaisin’ny fanjakana ny fitantanana ireo fananan’ny Madarail. Voakasik’izany ny any Toama­sina sy Mantasoa ary eto Antananarivo. Tsikaritra fa nisy fampanofana tany sy trano tamin’ny Madarail Immobilier (mpanofa) nataon’ny Madarail SA (mpampanofa). Fotodrafitrasa maro toy ny trano, tany marobe ary toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby ireo toerana ireo. Tsy azo amidy na afindra fitantanana amin’ny hafa ireo. Lasa filohan’ny Filankevi-pitantanana (PCA) ny Mada­rail ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Raharisone Juste Créscent.

Hahodina ho lasa rarivato (pavé) ny fako pla­stika any Toamasina. Eny Antsarimasina no misy orinasa Agrotech, manana fitaovana arifomba amin’ny fanaovana izany. Natao sonia, ny 5 desambra teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Dredd Atsinanana, ny ori­nasa Agrotech, ny sekoly SJC Tanamakoa sy SJC Anjoma. Tanjona ny hampiroborobo ny seha-pihariana maitso any an-toerana.

Nisy varavarana misokatra mahakasika ny fananantany tany Anjozorobe, ny alakamisy 11 de­sambra teo. Nampahafantarina bebe kokoa ny fomba fahazoana tany, ny fandrefesan-tany ary ny fitsarana tany faobe mitety vohitra (TTA). Nohazavaina koa ny mahakasika ny fepetra vaovao noraisina nanomboka ny novambra 2025 teo, hanamorana ny fahazoana tany ho an’ny Malagasy. Marobe ny nanatrika, avy any amin’ ny kaominina sy fokontany any amin’ity distrika ity.

Partager sur: