Fiara tapaka hisatra : Mpianaka maty nofaohin’ny 4×4

Tsy tana ny ain’ireo mpianaka lasibatry ny lozam-pifamoivoizana tao Ambatondrazaka, afakomaly. Zaza folo taona nofaohin’ilay 4×4 ary nifatratra tamin’ny renim-pianakaviana iray hafa taorian’io.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizan’aina indray tao amin’ ny fokontany Antanifotsy, Ambatondrazaka, ny marain’ ny sabotsy 13 desambra teo, tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy avy amin’ny lalana midina ny fiangonana Ambatoambo ny fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy. Nampaneno fa­nairana mafy sy tsy ankija­nona ny mpamily nitondra io fiara io kanefa anatin’ny tanàna ka taitra ny manodidina. Nitsangana tao anaty fiara mihitsy ilay mpamily nandritra izany, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Tsy tafajanona intsony anefa ny fiara. Nifoaka ankizy nilalao teo amoron-dalana. Poa toy izay, mbola ni­foaka renim-pianakaviana hafa, avy niantsena koa io fiara io. “Andalana hizotra ha­monjy fodiana ilay ramatoa”, araka ny fanazavana voaray. Nidona tamin’ny tranon’olona tamin’ny sisin-dalana ity fiara ity vao tafajanona. Vokany, maty tsy tra-drano taorian’ny dona mafy nahazo azy ireo olona roa lasibatra. Voadona sady voahitsaka tao ambany fiara ilay ankizilahy kely. Voa­tsindry tao amin’ny rindrin’ilay trano voadona ilay renim-pianakaviana.

Tapaka hisatra
Tonga teny an-toerana ni­trangan’ny loza, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny mpitandro filaminana. Tapaka hisatra ilay fiara ka antony nahatonga izao loza mahatsiravina izao. Nie­zaka niala ireo taxi-moto betsaka teny amin’ny arabe ilay mpamily ka nifatratra tany amin’ ireto olona roa sy tranon’olona ireto. Taorian’ny loza, notanana natao andrimaso eny anivon’ ny biraon’ny mpitandro filaminana ilay mpamily nahavanon-doza. Manentana hatrany ny mpamily mba hanao fitsirihana sy hanamarina tsara ny fiara entiny alohan’ny handehanana, ny mpitandro filaminana. Enta­nina ihany koa, ny mpamily mba tsy hampiaraka ny zava-pisotro misy alikaola satria antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ihany koa izany.

Mino

Partager sur: