Ambatolampy : Mpanolan-jaza voasambotra

Nosamborin’ny manam-pahefana ny lehilahy iray nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ankidondona I, kaomi­nina Ambatolampy, ny 11 desambra teo. Norebireben’io lehi­lahy io ny zazavavy vao 12 taona. Nosarihina hiditra tao amin’ ny trano fonenany. Nikasa hanampatra ny filan-dratsiny ity lehilahy ity kinanjo nikiakiaka sady niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay ankizivavy. Nikoropaka ireo mpiray vodirindrina. Noravain’izy ireo avy hatrany ny hidim-baravarana ka tratra tao anatin’ny trano ity farany sy ny ankizy saika nao­lany. Natolotra ny zandarimaria izy.  Efa fanaon’io lehilahy io ny manolana satria efa nisy vehivavy tsy salama saina nanamparany ny filan-dratsiny koa, araka ny tatitry ny zandarimaria.

Tsiferana R.

Partager sur: