Mpiambina amin’ny toeram-pisakafoana iray tao Antsahakely, kaominina Antsirabe, hita faty nihaohoka tamin’ny tany, omaly maraina. Ahiana ho novoin’ny tsy mataho-tody io lehilahy io.
Lehilahy iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanarina, afakomaly alina. Mamo io lehilahy io ka tsy nahafehy intsony ny tenany.
Lehilahy nanolan-jaza 1 taona sy tapany, notanana vonjimaika any am-ponja ao Mahajanga afakomaly, taorian’ny fisamborana azy.




