ONG Ketsa : Misitraka “Herinandron’ny fahasa­lamana” ny mponin’i Vontovorona

Mahasarika olona maro ny hetsika ara-pahasalamana eny Vontovorona. Ahitana fizahana maso, fijerena nify ary fizahana diabeta izany.

Natomboka tamin’ny fo­mba ofisialy teny Von­to­vorona, ny sabotsy teo, ny “Herinandron’ny fahasalamana”. Hetsika karaka­rain’ny ONG Ketsa, iarahany miasa amin’ny Lions club In­terna­tional Analamanga. Na­nom­boka ny 13 hatramin’ny 18 desambra hoavy izao ny hetsika. “Tanjona ny hanampiana ny fiarahamonina sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny fahasalamana”, hoy ny talen’ny ONG Ketsa, Rama­rolahy Hasina. Nambarany fa singa iray hampivoarana ny maha olona ny fananana fa­hasalamana ka antony nanaovana ny hetsika. Ahitana tolotra ara-pahasalamana maro eny an-toerana. Toy ny fiti­liana ny diabeta, fizahana maso ary fijerana sy fanalana nify. Amin’ity herinandro ity, misokatra ihany koa ny fitsaboana ankapobeny.
“Natokana ho an’ny ankizin’ ny Ketsa sy ny fianakaviany fotsiny ny dispensaire teo aloha ary hisokatra ho an’ny olon-drehetra izany aorian’ity hetsika ity”, hoy kosa Dr Ra­za­­fimbahoaka Farasoa Ha­nitra. Ilain’ny olona tanteraka ny hetsika manakaiky vahoaka tahaka izao, mba ahafahana ma­nampy azy ireo.

Mahasarika olona ny fijerena maso

Mahasarika olona maro ny fijerena maso, efa manodidina ny 400 ireo nisitraka izany teny an-toerana ny sabotsy maraina teo. Eo koa ny mahakasika ny fijerena nify izay efa manodidina ny 200 isa ireo milahatra nisitraka izany ta­min’io fotoana io. Tsy mbola nahaliana ny olona kosa ny tolotra ara-pahasalamana ma­ha­kasika ny fizahana diabeta. “Anisan’ny anentanana ny olona fa afaka mizaha ny diabeta avokoa na ny olon-dehibe na ny ankizy na ny antitra, mba hisorohana ny fitombo­an’ny aretina any aoriana”, hoy i Olivia Nepala, filohan’ny Lions club Analamanga. An­ko­a­tra izay, misy ny fanara­ha-maso manokana ho an’ireo olona mila izany ho an’ireo tolotra ara-pahasalamana ireo.

Mino

Partager sur: