Orge malagasy : Manan-danja saingy tandindomin-doza

Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voa­angona tany Vaki­nan­ka­ratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Nahafaly ny tantsaha ny vokatra, izay ambolena ao anatin’ny fotoana fohy, ka azo ampifandimbiasana amin’ny voly hafa ny tany, toy ny vary, legioma, sns. Fidiram-bola fa­nampiny ho azy ireo ny vidin’ ny orge, izay ara-drariny tokoa. Manampy ny tantsaha amin’ ny fividianana zezika, kojakoja fambolena ny Malto, sady manara-maso sy mampiofana amin’ny famokarana ny teknisiana. Mandray anjara isan-taona amin’ny andraikitry ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina RSE ny orinasa.
Nilaza Razanamparany, any Ambatofinandrahana, fa « manampy be anay ity fiaraha-miasa ity, ialana amin’ny fahasahiranana amin’ny foto­am-pambolena. Manampy na­ha­fahanay nanangana trano sy nividianana omby ».

Hetra tsy mifandanja

Manomboka sahirana ane­f­a ny sehatry ny Orge, satria niakatra ho 293% ny hetra « droit d’accises » amin’ny labiera tato anatin’ny 5 taona. Miantraika mampisondrotra ny vidin’ny zava-pisotro izany, nefa efa kely ny fahefa-mivi­din’ny mpanjifa. Hiteraka fa­tiantoka ho an’ny tantsaha, asa mivantana sy tsy mivan­tana anarivony no tandindomin-doza.

Njaka A.

Partager sur: