Lapan’ny fanatanjahantena : Nahatanteraka ny fanambiny i Momota

Andro vitsivitsy nialohan’ny fampisehoana. Hoy i Momota : « hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay. Asehonay koa fa izahay mahafeno Palais des sports ». Izay tokoa ny zava-nisy tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly, nandritra ny fampisehoana nampitondraina ny lohateny : « Cirque Momota Tic Tac Show ».

Tafiditra tao anatin’ity seho ity avokoa ny ankamaroan’ireo feo sy fihe­tsika mahasarika ny ankizy. Tahaka izany ihany koa ny fomba hanehoana izany eny an-tsehatra. Nifandimby sy nifameno ny « cirque », ny « clowns », ireo hetsika ataon’ ny vatana iray manontolo, sns. Ireo ankizy na olon-dehibe niaraka tamin’i Momota teny an-tsehatra rahateo nahay nampita ny kanto ataony tany amin’ireo mpijery nameno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imahama­sina.
Tsikaritra teny an-toerana ihany koa fa tsy ny ankizy ihany no tia ny tolotra nomen’i Momota sy ny ekipany fa ny tanora sy ny lehibe ihany koa. Maro tamin’izy ireo, rahateo, no mahatadidy tsara ireo hiran’ i Momota, fony izy nandalo ny vanim-potoanan’ny fahaza­zana. Teo ihany koa ny fahi­tana fa efa ela no niandry seho tahaka izao ny ray aman-dreny mba hoentiny hampiala voly ny zanany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: