Notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vavahady « Arche Malaga », an’ny orinasa Filatex Properties, ao anatin’ny Vondrona Filatex, eny amin’ny trano fonenana, akaikin’ny Marais Masay Antananarivo. Mampiavaka azy, ilay artista mpanao hosodoko afrikana tatsimo, Esther Mahlangu, 90 taona, fanta-daza maneran-tany amin’ny haitao Ndébélé no nampihaingo sy nandoko ity fotodrafitrasa ity.
90 taona i Esther Mahlangu, anisan’ny sangany amin’ny fivoizana ny haikanto Ndébélé, nolovaina sy nifandimbiasan’ny reny amin’ny zanaka vavy, efa tato anatin’ny 80 taona. Haikanto mifototra
amin’ny fampiarahana ny jeometria masina, ny loko samihafa ary ny fifehezana ny fihetsika amin’ny tanana. Sambany no nisy artista fanta-daza vahiny nampiseho ny talentany amin’ny fotodrafitrasa lehibe toy izao eto Madagasikara. Vokatry ny fanasan’ ny Filatex Propreties azy, nampian’ny orinasa Sitma. Ampitenenina ny endrika sy loko. Lohahevitra noraisiny ny hoe « Imbila namabala akhulumako », midika hoe, « miteny ny loko sy ny haingo ». Anehoana fa afaka ampitenenina ny endrika sy ny loko, ho azon’ny rehetra ny heviny, araka ny fahalalana ampitan’i Esther Mahlangu. Lasa endrika hita sy mahasarika ny maso ny zava-bitan’ity artista afrikana tatsimo ity. Porofo anehoan’ny Vondrona Filatex ny fanomezan-danja ny lafiny kolontsaina sy hainkanto eto amintsika.
Njaka A.




