Hita faty nihantona tamin’ny tadin-kiraro tao an-trano fonenany, tetsy Ankazomanga Atsimo, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray tokony ho 40 taona. Nisy nandrahona tamin’ny finday foana izy andro vitsivitsy talohan’io tranga io.
Tsy hita nivoaboaka ity raim-pianakaviana ity, ka nanokatra ny varavaran’ilay trano tetsy Ankazomanga Atsimo, vakim-paritra II, omaly maraina, ny fianakaviany. Hatairana ny an’ny rehetra fa lehilahy efa mandohalika amin’ny tany sy nihantona tamin’ny tady teo afovoan-trano no hita. Nampanantsoina ny sefo fokontany teny an-toerana, taorian’ny fahitana ity tranga mampalahelo ity. Novahana ny tady nifatoran’ny tendany saingy efa tsy nisy aina intsony. Mangana tanteraka ny faritry ny tendany. Tsy nahitana ratra kosa ny vatany. Marihina fa manan-janaka 8 mianadahy ary nanambady indroa, saingy efa nisaraka, ity raim-pianakaviana namono tena ity. Mipetra-drery ihany koa izy.
Nisy nandrahona tamin’ny finday
Nisy niantso sy nandrahona lava tamin’ny finday izy andro vitsy talohan’io tranga io, raha ny fanazavan’ny reniny. Voalaza tamin’izany fa na maty na migadra izy. “Efa nalaiko ilay findainy mba hanalana ny tahotra sy horohoro teo aminy saingy naveriny nalaina izany, ny alina talohan’io fotoana namonoany tena io”, hoy hatrany ny reniny. “Ny tsy fahazakana izany no tena antony nahatonga azy namono tena”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy an’asa izy noho ny aretina nahazo azy.
Efa nisotro “nuvan”
Ankoatra izay, efa nanambana ny namono tena tamin’ny fihinana “nuvan” ity lehilahy hita faty ity, afakomaly, saingy nifamonjen’ny fianakaviana tao dia avotra soamantsara. Efa narahi-maso sy nandrasana foana izy taorian’izay. “Afakomaly hariva, tamin’ny 9 ora alina, norohasiny hody daholo izahay niandry azy tao an-tranony fa nilaza hatory izy. Mbola niantso sy nitady briquet taty amiko, ity raim-pianakaviana namono tena ity, omaly tamin’ny 2 ora maraina tany ho any”, hoy ny anabaviny. Heverina ho tamin’io fotoana io izy no nanantona ny tendany tamin’ny tady tao an-trano. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny fokontany Ankazomanga Atsimo sy ny polisim-pirenena. Naka ny razana sy nitondra izany eny anivon’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha kosa ny avy amin’ny BMH.
Mino




