Jiolahy iray tratran’ny polisy niditra antsokosoko tao amina tokantrano iray teny Antsalovana Antohomadinika, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora. Nopitsohiny ny varavarana ary nalainy ireo finday telo tao an-trano. Taitra sy naheno izany ny tompon-trano ka nampandre ny polisy sy nanaitra ny fokonolona. Nifanenjehana ilay jiolahy ka nifanehitra tamin’ny polisin’ny PPA Antaniavo nanao fisafoana.
Vehivavy iray maty voadonan’ny fiara tetsy amin’ ny Digue Fenoarivo, ny alahady hariva lasa teo. Lehilahy iray hafa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA hatramin’izao. Tsiahivina fa nitondra moto izy ireo ary nodomin’ny fiara 4*4 iray. Tsy nijanona fa lasa nitsoaka ilay fiara nahavanon-doza. Efa mikaroka azy io ny mpitandro filaminana.
Lehilahy iray, mpitondra bisikileta, ihany koa maty nodomin’ny fiara tetsy Anosibe akaikin’ny Colas, ny sabotsy lasa teo. Tsy nahitana taratasy mombamomba azy teny aminy ary mbola tsy fantatra ny fianakaviany. Nentina eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA ny razana taorian’ny loza.
Mpanao sinto-mahery sy mpanendaka tratran’
ny polisy teo akaikin’ny EPP Ambodin’Isotry, ny 14 desambra 2025 tolakandro teo. Efa nifampitadiavana hatry ny ela izy io fa natao ny vela-pandrika ka izao nahafahana nisambotra azy izao. Niezaka nanohitra sy nandositra ity farany fa voafehin’ny Polisy avy ao Isotry ihany.




