Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : «Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka»

Nanomboka omaly ny fifanatrehan’ny solombavambahoaka sy ny mpikamban’ny governemanta. ”Miandry vokatra mivaingana ny vahoaka”, hoy ny Praiminisitra nandritra izany.

“Fantatry ny governemanta tsara fa miandry vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ary maika ny vahoaka”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny fanombohana ny fifanatrehan’ny Antenimierampi­re­nena sy ny governemanta, teny Tsimbazaza, omaly. Izay no nandraisana fepetra haingana, indrindra ny lafiny sosialy ho fanalefahana ny vesatry ny fiainana andavanandro. Nampiharina ny fepetra fanamaivanana ny fiaka­ran’ny vidim-piainana, ary na­tsangana ny fanohanana manokana ireo asa madinika mampidi-bola izay loharanon-karena lehibe ho an’ny tokantrano maro. Ho valiny mivantana sy tomponandraikitra amin’ny filan’ny vahoaka eny ifotony izay fepetra izay. Amin’izany, tsy mijanona ho fampanantenana intsony ny fanavaozana, fa miseho amin’ny alalan’ny fiovana tsikelikely.
Nanao ezaka ara-diplaomatika hentitra sy nitohy koa ny governamanta ho famerenana indray ny fahatokisan’ny fiarahamonina iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy vola. Nifototra tamin’ny fahamatorana sy fahitsiana indray ny fitantanan-draharaham-panjakana ny ezaka. Efa miseho sahady ny vokatra azo tsapain-tanana: miverina tsikelikely ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina, mandroso ny fifanakalozana amin’ny Banky iraisam-pirenena (BM) momba ny fanohanana ara-bola, miverina amin’ny toerany ny firotsahan’ireo andrimpanjakana ao anatina rafitra Firenena mikambana (ONU) amin’ny fanohanana ny fandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Sambany tao anatin’ny taona maro no mitovy feo ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena, re­hefa milaza fa miverina amin’ny lalana matotra sy tomponandraikitra ary azo vinaniana i Madagasikara.
Hifarana anio ny fifanatrehana.

R. Nd.

Partager sur: