FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamoahana ny tondrozotran’ny Tetezamita ny filoha teo aloha, Ravalomanana, araka ny nambarany tao Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Nanteriny fa tsy maintsy faritana tsara izany ary handalo dingana maro ny firenena. «Tsy maintsy manana faharetana isika», hoy izy tamin’ny fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany.

Nahitsy ny mpanao gazety sady minisitry ny Serasera teo aloha, Rolly Mercia, tamin’ny fanehoan-keviny tamin’ny fahitalavitra iray ny herinandro teo. “Tsy azo fafana amin’ny tantara Rajoelina satria marobe loatra ny ratsy na heloka nataony, na navelany nataon’ny olona akaiky azy”, hoy izy.

Natsahatra ny fampiasana ny « Gen » fa hiova anarana ireo tanora ireo. Novana ho Antenimieran’ny mpitolona izy rehetra ka hanatanteraka ny fikaonandohan’ny mpitolona sy handrafitra ny tondrozotran’ny tetezamita. «Hametraka ny hetahetan’ny mpitolona izany Antenimiera izany mba hitondra mankany amin’ny fanavaozana», hoy izy ireo.

Partager sur: