«Salon de la gastronomie», andiany faha-11: Homen-danja manokana ny vokatra sokolà

Hetsika lehibe ho an’ny hainahandro eto Madagasikara. Hanasongadina ny akora, ny vokatra ary ny fahaiza-manao malagasy izy ity. Sehatra ifaneraseran’ireo matihanina amin’ny hainahandro ihany koa.

Saika hatao ny volana septambra teo, saingy voatery nahemotra noho ny toe-draharaha. Efa feno kosa izao ny fepetra, ka ho­tontosaina ny 18 hatramin’ny 20 desambra ho avy izao ny « Salon de la Gastronomie » andiany faha-11, etsy amin’ny AFT Andavamamba. Fotoan-dehibe sady ambohi-pihaonana ho an’ny mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny hainahandro ny hetsika isan-taona. Manomboka any amin’ ireo tantsaha mpamokatra sy mpamatsy ny akora fototra, mandalo amin’ireo matihanina amin’ny hainahandro izay misy sokajy maro ary ireo mpankafy karazan-tsakafo izany.
« Homen-danja manokana ny cacao, hahazoana sokolà mampiavaka an’i Madagasi­kara amin’ity. Hiara-kasongadina amin’izany ny talenta sy ny fahaizan’ireo matihanina amin’ny fanodinana izany », hoy ny mpikarakara. Na izany aza, tsy sokolà ihany fa mahatratra 40 ireo tranoheva ahitana mpanamboatra zava-pisotro, mpivarotra hanitra isan-karazany, ny mpanao mofo isan-tsokajiny, ny trano fisakafoana manasongadina vokatra manokana, ohatra ny hazandranomasina, ny vokatra avy amin’ny ronono, sns.

Hisokatra amin’ny any ivelany
Hisy lohahevitra hampiainana ireo telo andro ireo. Ny 18 desambra ny fanokafana ofisialy, arahin’ny fitsidihana ny tolotra isak’ireo tranoheva. Arahina velakevitra izany ny hariva, ma­nodidina ny fomba nentin-drazana sy ny vaovao mahakasika ny hainandro malagasy. Hana­fana ny fotoana ny mpahandro fanta-daza, Henintsoa Moretti, sy ilay mpanoratra Vanf. Ny zoma 19 desambra no atokana ho an’ ireo mpisehatra amin’ny cacao sy ny sokolà. Haka en­drika fi­haonana siantifika kokoa ny adihevitra ny tapany maraina, manodidina ny cacao sy ny fa­nodinana azy eto Madagasi­ka­ra. Hisy fampirantiana sy fa­nan­dranana ireo vokatra ma­lagasy mandritra ny tontolo andro.
Ny sabotsy 20 desambra kosa no fanokanana ilay Villa­ge culinaire de la Francopho­nie, izay sehatra hanomezan-danja ny fifaneraserana sy ny fifakalozana eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny hainahandro maneran-tany. Karazana nahandro 11, avy amina firenena mampiasa ny teny frantsay 11 ihany koa no hasehon’ ireo mpianatra hainahandro avy ao amin’ny Havilla School mandritra io. «Manohana ha­trany ny mpandraharaha, ireo maniry ny hampandroso ny firenena hatrany ny Yas. Ani­sany izao fisokafan’i Madaga­sikara sy fisongadinany amin’ ny hainahandro izao”, hoy ny nambaranan’i Niaina Rakotonandrasana, tomponandraikitra ao amin’ny Yas.

Zo ny Aina

Partager sur: