Hamoraina ny fanohanana ny mpandraharaha, Vovonana natokana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tanjona ny hananganana sehatra tsy miankina matanjaka sy mifaninana ka hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Marihina fa fototra iankinan’ny toekarena ny PME izay mandrafitra ny 90% ny orinasa eto amin’ny firenena sy manome asa maherin’ny 60%.
Mahatratra 16 830 ny « palettes » letisia naondrantsika any ivelany, nanomboka ny taom-piotazana, ny 20 novambra teo. Tsara ny vokatra satria manodidina ny 89% ny vokatra isan-taona no efa tafiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Marihina fa miisa efatra ny sambo lehibe nitondra ny vokatra ao Eoropa sy Rosia. Mbola mitohy mandritra ity volana desambra ity kosa ny fitateram-bokatra amin’ny alalan’ny fiaramanidina sy «conteneurs frigorifiques ».
Velon-taraina amin’ny haratsian’ny lalam-pirenena samihafa ny fiara mpitatitra sy ny mpandeha. Nilaza ireto farany fa mety hiteraka fiakaran’ny saran-dalana ny zava-misy raha mitaraina amin’ny fahasimban’ny fiara kosa ny mpitatitra. Mihamitombo ny faharatsian’ny lalana vokatry ny rotsakorana misesy. Mihalafo ihany koa ny vidin’ny kojakojan’
ny fiara kanefa tsy mahaleo ny sarany ny
vidiny.




