Hatao ny 11, 12, 13 ary ny 14 jona 2026 ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany (ITM), andiany faha-12, sy ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny Asa tanana (IHM) andiany fahatelo.
Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nilaza ny tale jeneralin’ny Fizahantany (DGT), Ramarolahy Sandra, omaly, fa fotoana hihaonana mivantana eo amin’ny mpamatsy mpizaha tany (émetteurs) sy ny mpandray aty an-toerana (récepteurs) ny ITM-IHM, amin’ny alalan’ny B2B. Ho azo antoka, fa hitombo ny fanaovan-tsonia fifanarahana. Eo koa ny famelabelaran-kevitra marobe. Hampiavaka ity andiany ity ny fampahafantarana ny fizahantany maharitra eto amintsika aty Madagasikara, eo amin’ny kaontinanta afrikanina, raha toa ka taty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina no natao hatramin’izay. Toraka izany koa ny asa tanana vita malagasy.
Nohazavain’ny tale mpanatanteraka ny ONTM, Barivelo Danny, fa nihatsara hatrany ny vokatra hatramin’izay. Mahatratra 400 ny mpandray anjara. Ho maherin’ny 25 000 hatramin’ny 27 000 ny mpitsidika andrasana, raha 24 000 tamin’ity taona 2025 ity.
Njaka A.




