Fenoarivo : Lehilahy iray matin’ny hatsiaka

Hita faty tao anaty tatatra tetsy Fenoarivo, ny lehilahy iray, omaly. Tsy nisy ratra ny vatany fa nahitana fery amban’ ny aretina diabeta kosa ny rantsan-tongony. Matin’ny hatsiaka ny nahafaty azy, raha ny fizahan’ny mpitsabo.

Lehilahy iray, 42 taona, hita faty tao anaty tatatra, amoron’arabe, lalam-pirenena voalohany, teo amin’ ny toerana atao hoe: “Ca­ssa­grande” fokontany Ambo­hidrazana, kaominina ambanivohitra Alakamisy Fenoarivo, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy fahefany. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Am­bohidrazana ny zanda­rimaria avy amin’ny zana-tobim-paritra Alakamisy ka nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana. Tsy nahitana dian-kapoka na ratra na vono teny amin’ny vatan’io lehilahy maty io, raha ny fizahana nataon’ny mpi­tsabo. Nahitana fery efa ela, miendrika aretina diabeta nefa ny rantsan-tongony. Vokatry ny hatsiaka ny antony nahafaty ity lehilahy ity, raha ny fizahana. Mbola teny aminy avokoa ny akanjo na­naovany rehetra. Tsy nahitana taratasy mombamomba azy kosa teny aminy, rehefa nosavaina. Nentina teny amin’ny tranom-patin’ny CSB II Feno­arivo ny razana taorian’ny fahitana ny razana.
Mpanjaitra kiraro etsy Anosibe
Olona avy eny Anosibe Mandrangobato II, kaominina Antananarivo Renivohitra, distrika Tana IV, ity lehilahy hita faty ity. Tonga teny anivon’ny zandary teny an-toerana ny rahalahin’io olona maty io, omaly atoandro. Nitondra ny karapanondron’ny maty izy mba nahafahana nanamarina izany. Taorian’ny fanamari­nana nataon’ny mpitandro filaminana, natolotra ny fianakaviana ny razana.
Raha ny fantatra, miasa manjaitra kiraro eny amin’ny fokontany Mandrangobato II ity lehilahy ity. Nisy zavatra novonjeny teny Fenoarivo ta­lo­han’io fotoana nahitana ny razana io, nefa izao hita faty izao ny havan’izy ireo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny havany teny an-toerana.

Mino

Partager sur: