Nifarana, afakomaly, ny fikaonandohan’ireo antoko politika maherin’ny 50, natao tetsy Ankorondrano. Anisan’ny nisongadina ny momba ny tondrozotra sy ny fifidianana ary ny fanovana rafitra.
Tapaky ny asam-baomiera tamin’izany fa ravana avokoa ny Andrimpanjakana. Anisan’izany ny Antenimiera roa tonta, ny governemanta, ny HCC, ny Fitsarana avo (HCJ). Tahaka izany koa ny Ceni sy ny CNIDH, ny HCDDED, ny CFM… « Mba hisian’ny fahamarinan-toeran’ ny Tetezamita, sy ahatrarana ny tena fanavaozana araka ny fitakiana nataon’ny mpitolona », hoy ny fehin-kevitra. Hifehezana sy hanatanterahana izany ny tondrozotra ifanarahan’ny ankolafin-kery rehetra ary hajoro ny Fahefana avo ho an’ny fanavaozana « Haute autorité de la Réfondation – HAR ». Hitarika izany ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Hiara-kiasa aminy ireo mpanolotsaina avo efatra miaramila. Hiampy mpanolotsaina avo sivily miisa roa ambin’ny folo, roa isaky ny faritany izy ireo ka lahy sy vavy, avy amin’ny antoko politika izany. Tsy hihoatra ny telo taona ny ho faharetan’ny Tetezamita. Governemanta sy Praiministra ifanarahan’ny rehetra no hajoro. Hahena ny isan’ireo minisitra mba ho fitsitsiana ny volam-bahoaka. Hapetraka koa ny « Assemblée Constituante » hisolo ireo rafitra mpanao lalàna.
Fifidianana eny anivon’ny fokontany
Nivoitra ary hevitra niraisana teo anivon’ny asam-baomiera koa fa haverina amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana ny fifidianana. Hapetraka ny mpanara-maso na koa vaomiera manokana misahana ny fifidianana (CES). Haroso ny lalàmpanorenana samihafa ka fifidianana fa tsy fitsapan-kevibahoaka no hatao. Hiainga eny ifotony ny fifidianana ka hanombohana izany ny eny anivon’ny fokontany, ny kaominina, ny depiote sy ny lehiben’ny faritra sy ny faritany ary mamarana izany ny fifidianana filoham-pirenena. Vinavinaina hanomboka ny jona hatramin’ny septambra 2026 ny fifidianana.
Etsy andaniny, ferana ny fampiasam-bola ao anatin’ny fampielezan-kevitra ary tsy maintsy hamarinina ny loharanom-bola.
Synèse R.




