“Mila manana sy manangana rafitra tena malagasy isika, tsy hitsabahana vahiny na iza na iza avy any ivelany. Ahoana ny hahazoana mametraka marina ny fiandrianam-pirenena, ahoana no hahazoana mijoro amin’ny hoe firenena tena manana ny fiandrianany i Madagasikara? Fa tsy tsabahin’ny any ivelany hatrany izay atao eto”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, izay vao voatendry ho mpanolotsaina teknikan’ny filoham-panjakana amin’izao. Andao hanangana rafitra tena malagasy, raha tena te hiala amin’ny krizy. Mba hahazoana manova ny zava-drehetra eto izany, mamaly ny tena filan’ny vahoaka malagasy nitolona. Manangana rafitra tena malagasy mamaly ny filan’ny Malagasy no vahaolana.
“Raha tena te hiroso any amin’ny fanovana isika, manapaka tadim-pioitra amin’ny tandrefana no hatao voalohany. Anjarantsika ny mijery ny anaran’izay rafitra izay”, hoy izy. Zava-dehibe ny fialana amin’ny fiankinandoha amin’ izy ireo. Mba hahazoana manangana firenena tena miainga amin’izay hataon’ny mpisehatra malagasy amin’ny ankapobeny, miara-mitondra vahaolana hitondrana ny firenena. Araka izany, takiny ny handravana ny andrimpanjakana rehetra tsy nahomby. Raha nahomby ireo andrimpanjakana ireo, tsy niongana ny mpitondra fanjakana teo aloha. Ny notakina ny fialany sy ny firongony… Anisan’ny mpanolotsaina manokan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao izy. Tsy hampiova ny zavatra efa notakin’ny Otrikafo izany, araka ny nambarany.
R. Nd.




