Rap malagasy : Avy amin’ny fiarahamonina, ho an’ny fiarahamonina

Tsy fialamboly fotsiny. Mifototra kokoa amin’ny maha olona ny rap ary matetika porofoin’ireo mpisehatra izany, toy izay niseho tao amin’ny Chez Papa Isoraka farany teo.

Rap ho an’ny fiarahamonina. Efa ela no nivoy an’izay ireo mpiangaly ny rap malagasy sasany. Ani­san’ireny ry zalahy avy ao amin’ ny vondrona Bogota, toa an’i Doubl’Enn sy Laz, izay nitarika sy nanafana ny seho tetsy amin’ny Chez Papa Isoraka, ny faran’ny heriandro teo. Tsy seho mahazatra, fa natao avy amin’ny fo, nentin’ireto mpanakanto mpiangaly ny rap ha­nampiana ny zanaky ny na­mana iray anatin’ny tsy fahasalamana izany.
Efa tsy salama vokatry ny faharerahan’ny voa nandritra ny telo volana izao, i Tahiry Masina. Zanaky ny mpikambana iray ao amin’ny vondrona Bogota izy, ary izay no anisan’ny nanosika ireto mpanakanto ireto hanao ny antso tolo-tanana, narahin’ny fampisehoana. Namaly izany ireo namana anatin’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe maro, toa an-dry AnnieJ, Buddha El Taga, Skinto Kalaza, Zoub’A.k.a 102 Fassad, Zombi, Rajdy, Ti-Ah, Big Jim Dah…, izay mbola na­naporofo fa misehatra eny ani­von’ny fiarahamonina izy ireo.
Tosika lehibe ho an’ny fianakaviana sy ho an’i Tahiry Masina iny seho iny. Iaraha-mahalala anefa fa ny vahao­lana tsara indrindra dia ny fandidiana fanoloana voa any Inde, izay fikasana lehibe ho azy ireo. Mbola mafimafy ny miandry, saingy tsy kivy fa velom-panantenana ny ma­rary sy ny mpikarakara, ary manantena hatrany fanoha­nana ho an’ izay miara-mitempo amin’ity fanentanana ity. “zava-dehibe avokoa izay azon’ny tsirairay hatao. Tolo-tanana, fizarana, teny fankaherezana, sns, manampy azy daholo izany”, hoy ny fanentanan’i Laz. Mila any amin’ny 24.000 euros ny fitsaboana, ka manentana ireo izay afaka mandray anjara rehetra, hitsidika ny rohy azony hanam­piana an’i Tahiry Ma­sina izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: