Nanolotra fitaovam-pitaterana tena ilain’ny daholobe ny orinasa CGHV, misahana ny fananganana tohodrano lehibe, mamokatra herinaratra any Volobe, Toamasina II. Notokanana ny 13 desambra teo, tany Andringaringa, kaominina Fanandrana, distrika Toamasina II, ny baka vaovao Volobe Amont (TMF25118). Zava-dehibe ity dingana ity amin’ny fanatsarana ny fivezivezen’ny mponina sy ny mpandraharaha manodidina. Nanamboatra ity baka ity ny Construmad, orinasa eto an-toerana. Misy lakamby (flotteur) miisa dimy mitanty ny baka eo ambony, afaka mitondra fiara sy entana. Hanampy amin’ny fitaterana ny kojakoja sy ny fitaovana ilaina amin’ny fananganana ny tohodrano ao anatin’ny Tetikasa Volobe. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka amin’ny taona 2026 ny fananganana ny fotodrafitrasa tohodrano, ataon’ny orinasa CGHV.
Nitarika ny fitokanana ity fotodrafitrasa ara-pitaterana ity ny solontenam-panjakana, nahitana ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Lt kolonely Andrianaharintsoa Gervais. Teo koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry maro fa indrindra ny tomponandraikitra mitantana ny tetikasa CGHV.
Njaka A.
Mirefy 14,44 m ny halavany manontolo (LOA), 14,44 m ny « flotteur » afovoany, 13,76m ny floteur 4 amin’ny sisiny.
Mirefy 15,70 m ny sakan’ny baka.
Mirefy 1m ny haavon’ny flotteur; lanjany rehefa tsy misy entana: 30 taonina; entana zakany: 30 taonina.
Hery famokarana, motera hors-bord 2 temps: 2x 60 CV.




