VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny ny fampiakarana rano (station de pompage) ao amin’ny kaominina Ivato, distrika Vohipeno. Vahaolana lehibe ho an’ny tantsaha, indrindra amin’ny fambolem-bary. Ahitana vavany 3, samy manana tosika 600 m3/ora. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro (98 kW), manondraka lemaka
350 ha. Efa ho 50 taona no nisy fitaovana fampiakaran-drano farany tany an-toerana.

Hanomboka anio ny fambolen-kazo ofisialy eto Madagasikara. Tanterahina any Imerintsiatosika izany ho an’ny taom-pambolen-kazo 2025-2026. Tan­jona isan-taona hatramin’izay ny hambolena zana-kazo miisa 70 000 isan-taona. Mihevitra ny hampitombo izany ny fitondrana ankehitriny. Mandray anjara avokoa ny sehatra rehetra hatramin’ny tsy miankina samihafa.

Tsy azo atao ny mampiasa fitaovana mavesatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ho an’ ireo tsy mbola manana fahazoan-dalana (PE). Voaka­sik’izany ny fahazoan-dalana momba ny fitrandrahana madinika (Amea). Ny fahazoan-dalana ho an’ny mampiasa teknika atao tanana (Prea). Ny Prea miandry fanovana ho fahazoan-dalana hitrandraka (PE). Ny fahazoan-dalana hikaroka (PR) efa nangataka fano­vana ho PE. Voasazy izay mandika ireo.

Partager sur: