Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny “Super coupe de Madagascar”, taranja rugby. Noho ny tsy fahafahan’ny FTM Manjakaray no antony. Niova ny fandaharam-potoana ka hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboara, ny CEA Andranomanalina, mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”.
Niova tampoka ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy Rugby. Raha ny voalahatra mantsy tokony hotanterahina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny “Super coupe”, hikatrohan’ny FTM Manjakaray, tompondaka, sy ny Cosfa, tompon’ny amboara. Noho ny tsy fahafahan’ny FTM Manjakaray, voatery nosoloina ny CEA Andranomanalina ry zareo. Araka izany, lalao fihantsiana ny an’ny roa tonta ary tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-125 taonan’ny Rugby malagasy. Nambaran’i Kaizakaiza, mpanazatra ny ekipan’i Manjakaray, fa mpilalao 6 no maratra ao aminy ka tsy afaka ny hiatrika ny fihaonana izy ireo. Efa nandefa taratasy any amin’ny Malagasy Rugby, nangataka fanemorana ny lalao izy ireo.
Tonga, araka izany, ilay nandrasan’ny mpankafy. Hifampitana amin’ny ekipan’ny Cosfa (Bebaoty) izany ny CEA Andranomanalina izay hivondronan’ireo mpilalao sangany, amin’izao fotoana izao. Fileovana miverina amin’ny heriny ary tsy mbola tojo faharesena eo amin’ny fifaninanam-pirenena ireto farany. Fanambin’izy ireo rahateo amin’ity ny hanao pao-droa, dia ny ho tompondaka sy hahazo ny amboara. Samy «favoris» na ny andaniny na ny ankilany. Ny Bebaoty efa manana ny toerany sy ampy traikefa.
Lalao hafa
Ankoatra izay, hisy ny fihaonana eo amin’ny Stade SOE sy ny JSTA Ambondrona. Raha ny fanazavana, izy ireo no klioba voalohany eto Madagasikara. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hanao lalao fitsapana ny mpilalao FTM sy ny FTFA. Mialoha ireo lalao ireo, hisy ny fanokanana ny tranoheva fampirantiana ny sary izay mandrakitra ny tantaran’ny Rugby Malagasy.
Fitia Randria




