Vehivavy hita faty nifatotra: Mpivady niaraka voarohirohy

Notazomin’ny polisim-pirenena ka natolotra ny fampanoavana omaly, ireo mpivady voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona tao Am­bohimandamina, kaominina Mahajanga. Mpivady mifanila efitra tamin’ny tokantranon’i Felicia, ilay renim-pianakaviana 29 taona hita faty tao an-toerana, tamin’ny alarobia 10 desambra lasa teo ireo voasaringotra ireo. “Nanao ny fanadihadiana avy hatrany izahay polisim-pirenena rehefa nahare io tranga io”, hoy ny fanazavan’ny kaomisera eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, Raharinasy Jimmy. Na­nao ny angom-baovao rehetra mety ho nahatonga io vono olona io izy ireo. “Nanamafy ny sakaizan’io vehivavy nisy namono io fa nisy entana very tao amin’ny trano fonenan’izy ireo tamin’ny fotoana nizahana ny nofo mangatsiakan-dramatoa”, hoy ny polisy. Na iza­ny aza, nentina natao famotorana koa io lehilahy io. No­sam­borina ny mpivady mpifanila efitra amin’izy ireo. Tratra nivarotra ny findain’io olona efa namoy ny ainy io tany amin’ny mpanao telefaonina ilay mpifanila aminy ka antony nihazonana azy ireo. Natao fanadihadiana lalina ilay ramatoa. “Malaza efa mpanao herisetra amin’ny vadiny rahateo io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny vadiny nandritra ny famotorana”, hoy ny polisy. Anisan’ny vesatra hiampangana azy mivady, araka izany, ny firaisana tsikombakomba ho namono nahafaty an’i Felicia. Hiandry ny fotoam-pi­tsarana azy izy mivady ka ho fantatra aorian’izay raha toa ka meloka tokoa izy ireo na tsia. Raha tsiahivina, hita faty nasitrika tao ambany fandriana, nifono harona plastika ny lohany i Felicia, ny alarobia 10 desambra lasa teo. Nifatotra ny tongony sy ny tanany.

Tsiferana R.

Partager sur: