TSELATRA

Mpitondra moto voafaokan’ny taxi-be tetsy Pullman Ivandry, omaly tolakandro. Nisongona io fiara fitateram-bahoaka io ity farany. Nahay niala kosa ilay mpitondra moto ka voasoroka ny loza. Nisy fahavoazana ny moto vokatry ny loza.

Zazavavy kely vao iray volana sy tapany nisy nanary tao amin’ny fokontany Ambohipierenana Ankazoambo, Ambositra, omaly atoandro. Tsy mbola fantatra ny momba ireo ray aman-dreniny. Mbola velonaina tsara ilay zazakely tamin’ny fotoana nahitana azy. Efa misokatra ny fanadihadiana.

Renim-pianakaviana iray namoy ny ainy novonoin’ny anadahiny, tao Maharivo, fokontany Idiana, Andovoka, distrika Ambositra, afakomaly. Manan-janaka enina mianadahy io ramatoa io. Manao antso avo amin’ny manam-pahefana manoloana izao tranga izao, ny fianakaviany.

Lehilahy namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifa­moivoizana tao amin’ny lalana mizotra Tanambe, Amparafaravola, ny alin’ny talata 16 desambra tamin’ny 7 ora. Tsy nisy jiro ireo fitaovam-pitaterana ireo ka nahatonga ny loza.

Partager sur: