Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany.
Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo depiote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa tsy olana ny iantsoana azy ireo na ho governemanta Tetezamita na governemanta hamehana. Notsindriny anefa fa governemantan’ny ady izao mijoro izao, rehefa nifampihaino tamin’ireo depiote tao anatin’ny roa andro izy ireo. «Hiaraka hiady isika. Hiady amin’ny fahantrana hatrany ifotony. Hiady hamerina ny fahamendrehana maha olona», hoy izy. Nanteriny fa miaraka manao fanamby, miaraka miasa ary miaraka mahavita sy miaraka tsaraina amin’ny asany ny tsirairay. Nohitsiny fa hametraka ny fanavaozana ny rehetra ka tsy hisy mpikambana eo anivon’ny governemanta hijanona eo ambony seza. « Hidina eny an-kianja avokoa izy ireo », hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny tena niompanan’ny fangatahan’ireo depiote tamin’izao fifanatrehana izao ny fanarenana ireo lalana simba ka nitodihan’izy ireo manokana tamin’ny minisitry ny Asa vaventy. Samy naneho izany ireo solombavambahoaka amin’iny lalam-pirenena RN7 iny sy ny mianatsimo rehetra. « Miteraka fahasahiranana ho an’ny mpampiasa lalana ny haratsiny », hoy ny depiote Mamihaja Charlot, voafidy tao Mananjary.
Nomena fanalavam-potoana ny governemanta
Tahaka izany koa ny depiote voafidy tao Andramasina. «Tsy mba nisy fanamboarana an-taona maro noho ny resaka loko politika ny lalana mankany aminay », hoy izy. Anisan’ny tsy afa-bela koa eto an-dRenivohitra sy ny manodidina.
Nisongadina tamin’izao fifanatrehana izao koa ny nangatahan’ireo depiote fanalavam-potoana ahafahana mitsara ny governemanta mba hiampy efa-bolana, ohatra. Tsy ahafahana mahita ny tena asan’izy ireo ny roa volana nomen’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambaran’ireo depiote hatrany.
Synèse R.




