Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra, indrindra ny hala-boty sy ny sinto-mahery. Nanaitra ilay tranga teny amin’ny tsenan’Anosibe, nisehoana fisintomana poketran’olona eny ambony scooter. Tsy nanampo fa very tanatin’ny indray mipi-maso ny fianarana. Tsy afaka nanao na inona na inona.
Ny nanamarika ilay tranga, ankoatra ny fandrobana dia ireo mpitazam-potsiny. Azo tsara tamin’ny videon’olon-tsotra ilay izy. Efa nihoraka ihany, saingy, toy ny mpitory teny an’efitra. Tsy nisy nanenjika na naneho firaisankina. Ny zavatra na vola very efa tsy azo hanoharana fa ilay soatoavina mamonjy ny traboina na tratran’ny patsa iray tsy omby vava nanjavona no mampalahelo.
Manana minisitera manokana anefa ny firaisankina efa tao anatin’ny taona vitsy izao. Indrisy fa tsy hita taratra anefa izay asa vita. Mainka samy makamaka ho azy ilay vahoaka malagasy. Mitady ny fombany ifamotehana aza no mahamaika ny sasany. Tena mifampiandry kendry tohina sisa ny ankabeazan’ny olona.
Manoloana ny fanavaozana dradraina sy nitoloman-dRamalagasy dia tsy hay ny tsy hiteny. Mila atomboka amin’ny fihavaozana isam-batan’olona ka ho hita taratra any anivon’ny fiarahamonina izany. Rehefa mbola tsy vonona hamerin-kasina ilay maha malagasy nahitam-bokatsoa isika dia mpitory teny an’efitra sy manao kabary ambony vavahady fotsiny.
Takina ny fomba fisainana sy fomba fiaina ahitana taratra ny maha iray vatsy iray aina. Fepetra heverina hahazoana antoka ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ny fanatsarana ny andavanandron-dRamalagasy. Mila ilay tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja vao afaka manao. Mila tsy manao vain-drahalahy tsy marary.
r.r




