“Tena mpanao politika aho, ny hevitro: amin’ny firenena iray rehefa manomboka manao fanadiovana: tokony hoenjehina izay olona nanao hadalana rehetra, na tamin’ny fitondran’iza na iza”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, anisan’ny mpikamban’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierampirenena fandinihana ny antontan-taratasy fanenjehana eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ) tomponandraiki-panjakana ambony. Izay ny azy no foto-keviny. Rehefa tsy mahasahy manao an’izay, tsarain’ny olona hoe manavakavaka. Foto-kevitra no anaovana politika. Rehefa ampiharina amin’izay tsimatimanota nangalatra, ohatra, ny lalàna, atao ny fanenjehana. Izay! Rehefa tsy sahy manao an’izay, aleo tsy manao. Nisy nanao ny tsy mety avokoa ny fitondrana nifandimby. Tsy tokony ho sakana amin’ny fitsarana eny anivon’ny HCJ ireo tomponandraiki-panjakana ambony ny depiote.
Notsiahiviny fa ny fandehan’ny dingana arahina, rehefa misy filohan’andrimpanjakana na mpikamban’ny governemanta, ohatra, tsy maintsy alefa eny amin’ny Antenimierampirenena ny antontan-taratasy fitoriana. Ny depiote no manapaka na atao na tsia ny fanenjehana eny anivon’ny HCJ. Vita izay fanapahan-kevitry ny depiote izay vao mandeha ny dingana rehetra amin’ny raharaham-pitsarana, raha atao ny fanenjehana. Izay ny asan’ny vaomiera amin’ny fanenjehana.
R. Nd.




