Nandray anjara tamin’ilay famelabelaran-kevitra nokarakarain’ny Indri ny Miarakap sy ny Kinome, natao teny amin’ny Novotel, ny 9 sy 10 desambra teo, ny Tale jeneraly lefitra (DGA) ny orinasa Bôndy, Adrian Levrel. Lohahevitra nohazavainy ny « andraikitry ny mpandraharaha miantraika amin’ny fanomanana ny hoavy ». Notanisainy ny zava-bitan’ny Bôndy nandritra ny 6 taona nisiany. Niainga tamin’ny fambolen-kazo, nitohy tamin’ny fanarenana ny nofontany, ny tontolo voajanahary ary ny rohivoahary. Eo koa ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina eny ifotony, iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka. Hanatanterahana ireo tetikasa ireo ny lalam-bola avy amin’ny tsena karbôna.
Hanampy ny Bôndy hanatrarany ny tanjona ny taratasy fankatoavana azony ny jona 2025 teo. Ho an’i Adrian Levrel, « fanirianay, ho fitaratra iraisam-pirenena i Madagasikara, amin’ny fanarenana ny rohivoahary, ny fanomezan-danja ny harena voajanahary ary ny fananana vina mifototra amin’ny natiora. Araraotina ny zava-tsara rehetra, na tsy tena voafehy tanteraka aza. Azo alain-tahaka ireo firenena efa nanao an’izany, toy ny any Kenya sy Ghana, ohatra ».
Njaka A.




