Vita sonia ny alatsinainy teo, teny amin’ny EPP Antanimena II, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fondation Axian, ny Teach for Madagascar ary ny Yas Madagascar momba ny tetikasa fampianarana mamaky teny ireo ankizy garabola ao amin’ity sekoly ity. Hanomboka amin’ny taona hoavy ny tetikasa « andao hamaky boky » ary hisantatra izany ny EPP Antanimena II izay hitondrana ny boky Diary nofy III. « Tanjona ny hampivoarana ny sehatry ny fanabeazana. Hanampy ireo garabola hahafehy kokoa ny famakiana teny ny tetikasa », hoy ny tale mpanatanteraky ny Fondation Axian, Andrianasolo Mialisoa. Amin’ ny teny malagasy sy frantsay ny boky ka hampahafantatra an’ireo mpianatra momba ny natiora sy ny tontolo iainana ary ny karazan-javamananaina misy eto amintsika. Araka izany, hanamora ny fampianarana ireo garabolo miisa 147 nisitraka ny tetikasa ny fiaraha-miasa natao, toerana misy ihany koa ny sekoly Yas. Hisandrahaka manerana ny Nosy ny tetikasa ho fanohanana ny fanabeazana sy ny tontolon’ny fampianarana. Marihina fa vaindohan-draharahan’ny Fondation Axian ny hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo sekoly, toy ny CEG sy lycée. Manolo-tanana ihany koa ny orinasa ho fanohanana ny anjerimanontolo.
Henintsoa




